Arakaraka ny nampitombo isa ny olombelona tambonin'ny tany, dia niha-nanalavitra an'Andriamanitra hatrany ny zanak'olombelona. Ary hadino tsikelikely ny fampanantenana izay nomen'Andriamanitra ny olona tamin'ny voalohany, fa hisy olona hitsangana avy amin'ny taranaky ny vehivahy hanorotoro ny lohan'ilay fahavalo, dia ilay menarana ela, na satana izay namitaka antsika ka nahatonga antsika hanota, sy hiala amin'ny sitrapon'Andriamanitra (Gen.3:15 "Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony")
Noho izany dia nifidy lehilahy iray Andriamanitra, dia Abrahama. I Abrahama sy ny taranany dia ny isiraely (avy amin'ilay tena vadiny dia Saraha) no nofidiny hitondra sy hampita ny hafatra amin'izao tontolo izao.
Ny Baiboly no mirakitra izany rehetra izany, ary raha tsy teo ny baiboly dia tsy nisy zavatra fantatsika mikasika ireo rehetra ireo na iray akory aza.
Afaka manana teoria marosamihafa ny olombelona amin'ny alalan'ny siansa, sy ny filozofia kanefa tsy hisy afaka hamaly ireto fanontaniana ireto raha tsy ny baiboly:
1- Nahoana no tsy maintsy maty ny zava-mananaina rehetra, eny fa ireo biby izay afaka maniry rantsana indray mandeha aza?
2- Inona no antom-pisiantsika olombelona?
3- Avy aiza isika, maninona eto (an-tany) isika, ary hankaiza isika?
4- Mizy fiainana hafa ve ivelan'izao fiainana izao ?
...
[Klikevo ny 'Read more' eo antsisiny raha hanohy hamaky]